<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Jeso Hery mahavonjy FFPM605</title>
<lyrics>[V1]
 Jeso, Hery mahavonjy
 Tena fialofana,
 Fa miantra sy mamonjy
 Zanak'olombelona
 // Hery soa, hery soa,
 Itokianay tokoa //

[V2]
 Raha misy ny tafiotra
 Izay mamely mafy anay
 Ny fitiany tsy ho ritra
 Tokinay mandrakizay
 // Tsy mandao, tsy mandao,
 Iankinana hatrizay //

[V3]
 Raha mambomba sy miaro,
 Mampitony tahotra,
 Jeso Tompo tia, Mpiaro ;
 Resy re ny hovitra,
 // Fa matoky, fa matoky,
 Ilay ampinga lehibe //

[V4]
 Tianay tokoa tokoa
 Ho an-tratranao doria,
 Mba hatoky ka ho soa
 Ry Mpamonjy be fitia,
 // Tompo soa, Tompo soa,
 O ! hazoninay tokoa //</lyrics>
<hymn_number>605</hymn_number>
</song>